fa....! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FA....!

fa...! ianao ilay kintana
mpandravaka ny habaka
ho famantaram-bintana
izay sarotra finantatra

fa...! ianao ilay volana
mpanazava isak'alina
mpamaha ny olana
raha tavela anaty lalina

fa...! ianao ilay masoandro
mpampitsiky ny maraina
mitsidika isan'andro
ny fo misento mitaraina


nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
anio 31/08/2017
--------
Rohy:
743 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152