tena tia tokoa (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
sombin-tantara mitondra lohateny hoe : ""tena tia tokoa""

(tany mahajanga tany no nisehoan'ny tantara)

Nomentsoa : (miteny irery)
vetivety ihany rangaha izany fialan-tsasatra teto mahajanga izany ka, fa taiza koa ary Sariaka nandritr'izay roa volana izay no izao vao hita)

ialahy ity marina moa izany ry Nomentsoa
taty mahajanga vao niaraka tamin'ny sipa
ary raha nahazaka dia tena tia tokoa!
nefa vao sambany no nitia, atao ahoana e ngaha hita e.

kanefa!

indrisy mantsy f'efa ho tapitra sahady
izao ity ny fotoam-pialatsasatra
ka hihazo an'iarivo rahampitso alahady
fa ny alatsiniainy izao no hanomboka hianatra

sssh! mandrereka ahy koa izy izany
fa aleo aloha rangahy ho any amin'ny sariaka
sady mba hitsidika azy no sady hanontany
azy hoe mety ho tafaraka hody ihany ve isika?

(dia lasa)

dia lasa ny anao lahy nanara-driaka
fa tsy niambahamba intsony
namonjy ilay sakaizany tsy iza moa fa sariaka
ilay malalany tena nandrian'ny fony

teo ambavahady

Nomentsoa :
haody o! haody o! aiza ny olona o?
Sariaka a! ao ve nareo
aiza o? nenitoa lolona o
mba lasa aiza koa ary ireo?

(ny ao an-trano)

Nenitoa Lolona:
hoatran'ny misy olona ao izany!
ndeha hoe Sariaka jereo
fa hoatran'ny anaranao ihany
no toa tatatatainy eo ivelany eo!

Sariaka:
eny ho aho ry nenitoa
tena misy mitady tokoa aho
sady tena ny anarako tokoa
no antsoantsoiny ao ivelany ao

Nenitoa Lolona:
eny ho aho fa aza ilaozana mihanahana
fa ndeha jereo izany olona izany
dia ampandrosoy dia voahy midanadana (varavarana)
fa sao lazainy tsisy olona ato ka ndrao ho lasa ihany

Sariaka:
eny ary re ry nenitoa
f'andeha hojereko izy izany e
hoay fa toa i Nomentsoa
no tonga mitsidika izato ankany
(mihazakazaka mamonjy mamihana azy)

Nomentsoa:
ie, izaho ihany ity akia malala
tonga mamangy sy mitsidika anareo
nefa heveriko fa tsy misy olona ka nisalasala
dia saika namonjy fodiana teo no ho eo

Sariaka :
izany ve! dia raha tsy tao izany
dia lasa tokoa ny malalako
nefa raha izaho no teo dia niditra avy hatrany
fa tsy niambahambako

Nenitoa Lolona:
fa izy izany olona izany ry Sariaka
fa aza ilaozanao mirediredy fotsiny ao
ampandrosoy an-trano ho hita
fa mba sasa-miandry ity nenitoanao


mbola hitohy

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy Aimé)
nosoratana tamin'ny 15/09/2017
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - fiainana - Fitiavana
1171 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157