You are here: home > Vetso

TOY IZANY KOA NY FOKO! - IMAHAKA randriamalala (mahavonjy aimé)

TOY IZANY KOA NY FOKO!

banjino iny volana somamby
hanabakabaka iny,
fa raha sembanin-drahona
ny tara-pahazavàny
moa tsy miaina anaty aizina
ny kintana sakaizany?
toy izany koa ny foko
raha vao sarak'olon-tiana
misento, mitoloko
irery mangingina
ity ny foko nanantena
naniry ny hotiavina,
naniry ny hoekena
indrisy fa nolavina

dia andramo aza tondrahana
ny voninkazo an-jaridaina
izay maminao indrindra
ary andramo tsy koloina
ny raozy anaty vazy,
moa tsy tazanao malazo?
toy izany koa ny foko
raha tsy notiavina
ka nitia antsokosoko
ireo karazan-dravina
tsy fankafy akory
dia eny an-jaridaina,
no manala sorisory
sy manala ny adin-tsaina

IMAHAKA RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
26-09-2018 teto tanjombato


Hametraka hevitra

Midira aloha