Inséré par : z'andrygasy
Date : 14/06/2015 07:59
Visite : 2008
Poèmes: 24 Cliquer ici
Fans : 1 Admirer
Insérer un poème

Z'ANDRYGASY

Eny ny diam-peniko ry namana,
No Mpanelanelana, mpampihavana
Vahoaka maro tsy tambo isaina.
Izy no manitsy, Eny manova toe-tsaina

Eny ny soratananay,
No hanafay
Hiady, tena sahy
Hanafoana ahiahy

Eny ny diam-peniko ry mpiraitanin-drazana.
Tsy miangatra, tsy manafina fahavoazana.
Ny sora-tanako no lalana, fanilo
Hanazava sy hanilo

Izahay tsy mpanonofy akory
Fa mpanankanto, mpanala sorisory
Eny Izahay dia Izahay
Eny Izahay, sahy manafay
Z'ANDRYGASY, Taom-baovao2004
Lien: https://vetso.serasera.org/mpanoratra/zandrygasy
Derniers commentaires

Aucun commentaire trouvé.

Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0137