Hiara-milevina amin'ny fitiavako (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny saiko ihany no domelin-drogony
Raha mba manala eritreritra
Efa lasan'olona angamba ny fony
Ka mahaverivery hevitra.

Ny tenako foana no mamon'ny toaka
Hoentina mieritreritra azy
Ka ny ati-doha mila hipoaka
Naheno fa izy hatao mariazy

Fa hitako tamin'ny ferapara
Fa hanambady ilay nokasaina ho anjara
Izaho anefa tsy sahy nilaza taminy
Fa nokoboniko ho ahy irery ihany

Fitiavana mangina tsy voaboraka
Sy fo tsy misy mpangoraka
No rĂ  mikoriana sy fo mitepo ao anatiko
Tsy voafafan'ny ora mikorisa ka tsy tantiko

Tonga ny andro fisoratana
Hanamafisana ny fitiavany
Ho amin'ny tena fisandratana
Ka vory daholo ireo havany

Maizi-kitroka ny lalan-kombana
Fa mitoetra amiko ny fahajambana
Tsy ny maso anefa no jambena
Fa ny fo ka tsy hay fefena

Tantara marina fa tsy vazivazy
Tonga indray ny fanamasinana azy
Nanamafisana azy indray
Nitondrana azy eo amin'ny ray

Ny maso nipitrapitra
Ny fo koa nitririritra
Koa avelao aho rahavako
Hiara-milevina amin'ny fitiavako
Fa fitiavana mangina no nitiavako anao
Hatramin'izay ka hatram'izao
Ka mitso-drano anareo roa
Mba ho mandrakizay tokoa
Fa zaho handao ny tany
Hialoha lalana anareo any

Izany no namaranako ilay diarim-pahatsirovana
Halalanao an'ireo tsiambararoam-pitiavana
Rehefa tonga ny fahafatesana, fandiovana
Izay vita rehetra teto an-tany fandalovana


Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
1426 1
Mpakafy: pia
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141