Tantely mangidy (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Firy litatra ny ranomasina midadasika?
Firy koa ny isan'ireo voan'ny tora-pasika?
Kanefa ny ranomasina dia rano indray mitete monja
Eo anatrehan'ny fitia ao am-poko izay manonja
Ary ireo fasika dia iray ampaha zato
Raha manatrika ny hanina anao tsy miato

Refeso an-tsaina koa ny misy ny lanitra
Angamba izany no farany tena lavitra
Fa mbola tena akaiky indrindra
Raha mitaha amin'ny fitiavako tsy hay afindra

Raha fantatrao ny hamamin ny tantely
Fa toa ranom-bahona an-tsotrokely
Raha oharina amin'ny molotrao manorok'ahy
Maneho fitiavana, feno halemem-panahy

Tsy misy tsy mahalala ny tsiron'ny amalonkely
Ilaofam-bary, iarahan ny mpianakavy mamely
Fa mbola tsy mafilotra mihoatra ny tsiki-pifaliana
Izay atolotrao ho porofom-pitiavana, tena mahaliana

Raha ny taratry ny masoandro
Manafana amin'ny atoandro
Dia mbola Mangatsika
Eo akaiky ny fitiavantsika

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1945 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1766