Ny sipako dia vadiko koa (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny vadiko dia vadiko an-trano
Ny sipako dia vadiko koa
Izy no vadiko nahit'angano
Vadiko iray faharoa

Aza lazaina amin'iza anefa
Fa ianao dia ataoko manefa
Raha izany ka henony
Tsy ho zaka anie ny menomenony
Fa izaho hariva tsy ho tafody any
Ka lainga no nolazaiko tany
Fa misy korana hatao
Hiarahan'ny mpiray birao
Toaka no efa nomanina
Amin'izay Rafotsy fanina
Ka tsy hisy ny ampamoaka
Fa hotakon'ilay fofo-toaka
Zary lasa natao fanafody
Hikotsanako rehefa mody
Somary adofako lay fofo-toaka
Tsy asehoko kosa ilay paosy loaka
Notangosan'ilay sipa kely
Rehefa zaho avy namely
Vola arivo no mba sisa voaaro
Fa nafeniko tao anaty kiraro

Francklin ANDRINIRINA
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
2061 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142