" Ialako tsiny " (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ialako tsiny aminao
Raha toa ka nampirafy :
Izay niniako natao.
Fa zaho fa te higafy

Ialako tsiny koa, raha toa ka nandratra,
ny fonao fa izaho dia efa zatra;
ny mahita anao tomany
Fa fifaliana ho ahy izany

Tsy hoe zaho no tena fositra
Raha toa ka nandositra
Rehefa inty ianao tamy
Fa ianao dia efa lany mamy

Aoka ianao mba hamisavisa
Fa zaho dia manenjik'isa
Ka dia miala tsiny indrindra
Raha ny fitiavako no nafindra

Ialako tsiny koa raha nanome toky fitaka
Fa ianao no tiako hisitaka
Fa izaho dia mila fahafahana
Hisipako hafa ankalalahana

Fa zaho mbola hiverina ihany
Indray andro any
Raha toa ianao ka mahandry ahy
Tsy mandeha manaraka lehilahy

Raha toa reo zakanao daholo
Ditra ny ahy fa tsy hoe te hanolo
Ny tokan-trano tsy ahahaka
Raha toa ianao ka maka atahaka;
Dia veloma mandrakizay,
Mitadiava any ankafa indray!
Fa efa izay ny tianao hatao;
Dia ekeko tsotra izao.

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1429 0
Hevitra mandeha
felandefona ( 21/04/2020 09:38)
Soa ihany aho nampirafesina
Soa ihany aho noratrana
Soa ihany aho nandosirana
Soa ihany aho nofitahina

Satria raha tsy izay aho tsy tojo ilay tia ahy
Tsy maka tahaka aho sanatria fa efa fay

"Tantara niainako taloha ...."
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136