Mangatsiaka anatim-pahavaratra (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy izay minia tsy mijery
Ny fitiavako tsy mba miery
Izy izay minia tsy mahalala
Ity foko lasa adala

Semban-drahona ve izany volana izany?
Fa maizi-kitroka izany tany
Lany hazavana ve ny kintana
Sa izany no sitraky Ny vintana

Ny masoandro ve tsy afa-mitaratra intsony
Fa toa misy ifandraisana amin'ny ati-pony
Ka zary mangatsika antenam-pahavaratra
Tsy afaka hanafana ity fitia vao misantatra
Avelao ny fitiavako ho maritiora
Na dia maro aza ireo tanora
Afaka miara-manorin-kasambarana
Avelako ny foko hanidy varavarana

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
882 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141