"T.V.S : Toaka, Vady, Sipa "(resaka nifanaovan'ny samy mpanoratra) (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy milaza fa ny toaka
Manala baraka amasom-bahoaka
Tsy hoe zaho no be filaza
Fa ny fety tiana halaza,
Tiana tsy hangatsika
Asiana toaka arahina mozika

Avelao hipoaka izay hipoaka
Fa tiako lesy ny toaka
Tsy maninona na tsy mitafy
Fa hamidy toaka no niasako mafy

Zahay tsy maintsy mirevy ry namana
Tsy misy mangidy tsy andramana
Marina zany fa tsy vazivazy
Asiana tsaky fotsiny hitelemana azy

Misotro maromaro aho rehefa ririnina
Mba manafana tena, raha fintinina
Misotro kely kosa rehefa mafana
Mba miala hetaheta fa mafana

Misotro koa alohan'ny hisakafo maraina
Mba manokatra vavony amin'izay tsy malaina
Misotro rehefa Avy nihinana
Mba mampakatra filinina

Tsara ny manam-bady, tsy ratsy ny misipa
Miara-midola, miara-mitsipatsipa
Ao amin-dramatoa, mahazo tambitamby
Amin-drakalakely, mahazo fitia be amby
Soa ny manan-droa
Mandeha atsy, mandeha aroa
Ny paosy fotsiny no atao ampy dia milamina
Amin'izy roa ao ianao no mihinan-kanina

-Rabia Tsitaitravao:"
Adinonao ve le misotro kel alohan'ny hatory?? @zay..."

-Izaho:
Misotro kely alohan'ny hatory
Mba miala sorisory
Alohan'ny hanaovana lay zavatra
Amin'izay izy tonga lafatra

-Andriambololona Rakotomalala Voahanginiaina:
Ny tôka,
mapagôka,
Ny pôsy,
Tsisy sôsy

-Izaho:
Azafady, tsy sangisagy
Fa namako ny tavoangy
Eny fa na alahady
Ny tsy hisotro dia fady
Na hiteraka ady
Hampisarabady

-Andriambololona Rakotomalala Voahanginiaina:
Dia sotroy ny tôkanao,
fa ny tsarovy dia izao
Tsy ny taoka anie no ratsy ,
fa raha be laotra mahafaty

-izaho:
Na zaho na ianaô samy ho faty
Mbola hijanona rehefa masaka ny aty
Ny tsaky ny kopazy anie ampy tsara
Ny sipa sy ny vady samy mikarakara

-Andriambololona Rakotomalala Voahanginiaina:
eny ho aho ry tovolahy
Manafaingana ny rangolahy
ka nanjary ratompokolahy
lay natsoina hoe tôkalahy

-Izaho:
Fifaliana, fahoriana samy ilana toaka
Rehefa miasa, toaka, avelao voaroaka
Izao no tena marina ry Voangy
Tsy atakaloko vady ny tavoangy


-Narindra Fitiavana:
Ataovy mahita izy ry toakaaaaaaaa!
mitsapatsapa mantsy kaaaa
io letsy no nahavery fiandrianana
An-dradama teny Manjakamiadana

-Izaho:
Iza indray no ho namako
Raha tsy hisotro io ny vavako
Za anie tsy misary adala
Fa hafa ihany ny toaka malala
Tsy maninona na ataony mahita
Fa zay vita dia vita

-Nirina Thiago Rja:
Fa tandremo lesy namana
Ianao mihinana anana
Tsy aleo ve amidy laoka
Ny vola lany amin'ny toaka

-Izaho:
Tokony hofoanana zany ny toaka
Fa mpamitaka Vahoaka
Ary izaho mba ho aiza?
Io anefa no efa nitaiza

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2098 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145