zezi-pahafahana (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na amboako na amboan'olona
Rehefa vandana dia kary avokoa
Raha gasy vonona hitolona
Izy no tia tanin-drazana tokoa

Izay handrandrana tsy anafenana loha sola
Asa ianao raha hiombon-kevitra amiko
Fa ny fototr'izany dia ny vola
Koa mamelà ahy fa hiady ny peniko:

Asa na ny talenta no ho foana
Na ny ranomainty no ho lany
Fa ny soratro tsy hiato manoloana
Ny fitarainan'ny tany

Asa na ny tanako hofatorana
Na ny vavako no hoperana
Tsy hanambara
Ny lalan-tantara
Fa raha mbola misy any an-davaka
Miandrandra vavaka
Miantso ny ho afaka
Aleo ny tanako tapaka
Toy izay tsy hiara-hanonona:
ny fahafahana ao anaty tolona

Asa ny foko holefonina ka tsy Hitepo intsony
Ny matoatoako indray no zary lasa ony
Hanamando avy hatrany ny fanantenana
Ka Vahoaka maro no hiaina ankalalahana

Asa na ny masoko no ho jambena
Ka tsy ho afaka hamaly babena
An'ireo nahafoy rà latsaka ho zezi-pahafahana
Ny molotro indray no hitolona amim-pivavahana

Raha ilay ny firenena
Ny hanolorako tena
Indro ny molotro
Atolotro
Ny tenako manontolo
Afoiko daholo
Ho an'i Madagasikara iombonana
RY GASY SAHY HIARA-MITOLONA


Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
969 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01