"Tsiahi-pahazazana " (Z'ANDRYGASY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa lasa hono ny zavatra taloha
Kanefa izany tsy voakosika ao an-doha
Asa ianao hiombon-kevitra amiko
Fa misy fotoana tena mamiko
Fiainana fony ankizy
Mamy izay ts ' izy

Izahay tamin'ny mbola kely
Tsy sahy nifandao velively
Eny tsy sahy nifandao
fa niara-nilalao

Mamy loatra taminay ireny fotoana ireny
Ka ny vavako tsy hilaza, fa ny soratro hiteny
Ny momba ny lalaonay fahiny
Lalao madio tsy misy tsiny

Na lahy na vavy, miaraka daholo
Zany ny fiainana ambanivolo
Zany anie ka mifankatia
Mitady voamadilo, miara-dia

Miady indraindray, mifamely
Izany ny fiainana mbola kely
Avy eo indray
Mifandray

Rehefa manao tsikonina tamin'io
Kivadivady, fitiavana madio
Mpianadahy, mpianabavy no nivady
Hay izy ireny ka mpifady
Taty aoriana dia Niarahanay nihehy
Hay ve izy ireny ka zavatra tsy mety

Rehefa takariva ampiandrasana sakafo
Indreo izahay manodidina ny afo
I Nenibe, mitantara angano
Amin'izay revo ny ray trano

Ny fiainana no efa namboarina hivaona.
Maninona raha tsy nasiana tonon-taona?
Amin'izay nijanona ho zazakely foana;
Omen'ny Nenibe sakafo refa noana!
Amin'izao ny tena sahirana mitady;
Rehefa tsy mahita tsy mahavelom-bady

Tsiahy sisa...tsiahi-pahazazana
Dia ilay fon'ankizy tantera-pahazavana
Ka mila hahafanipanina
Lay embona sy hanina

Z'ANDRYGASY
--------
Rohy:
1772 1
Mpakafy: pia
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112