ROSOA (AnjaraNivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROSOASinganiko manokana eto ianao mbola mitraka
Na inona ady mazana nateraky ny vita;
Aza omena vahana handresy anao ny ratra fa
Ianao ilay zanak'olona nateraka ho tafita!
Nambinin-janahary izay rehetra velona aina,
Tsy misy koa nateraka hisedra faharavàna;
Ny fiainanao mamiratra efa alaivo sary an-tsaina
Ka miarena mba handroso dia asio fanantenàna.
Anovozy fiainana izay adinao mangotraka,
Aza kivy miarina raha sendra ka nianjera;
Fa tsy hitanao ny lesoka raha tsy efa avy potraka,
Sinkino ny herin-tsaina dia mahaiza manantena!
AnjaraNivo
--------
Lien:
Fans:
Ainampaniry Anjara Nivo
