Ty hasarotam-piaronao! (Antso's tafa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ty hasarotam-piaronao!
Anjaran'iza no hitsara
Ka hilaza fa tsy tsara
Ny mitia sy ny hotiavina
Moa izany azo lavina?

Ny fitia mora aorina
Ny anaty fo azo tsorina,
Ka raha mitia am-po mazava
Tsy voatery hisoka-bava

Fa ny maso dia mahavita,
Hahatonga azy hitsiriritra
sy hampiresaka ny vavany
Hanolorany ny tanany

Dia moa tsy hiaraka mangina?
Ilay mitia sy ilay tiana?
Lavitra mpanelingelina
Samy tia, tsy manenina

Fa ho loza mety ho antambo
Haharendrika ny sambo
Ty hasarotam-piaronao
Isanandro lava izao!
Antso's tafa(Bocassa)
10-01-08
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
296 1
Fans: tiaraj
Commentaires
tiaraj ( 08/02/2008 19:37)
Ny loza marimarina dia ity tsy fanajana
Tsy fahampiampitiavana?Raha izany azo hialana
Saropiaro aho satria diso tiako loatra ianao
Ka na dia tsy hajainao aza, te hitraotra lava izao
Ity foko feno ratra, norasarasainao
Ekeko fa sitrapoko, safidiko tokoa ny hitia,
Saingy, raha azo atao re, mba asio fiheverana ny aty...
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139