HO INONAO (BerthiN AinA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ho inonao ny fitiavakoraha omeko olon-kafa
teo aza teny mamy nivoaka ny vavako
nefa nasetrinao ompa sy fanala-mbaraka
ho inonao ny foko hitempo
hoan'izay mba manapitiavana
tany aminao izy feno sento
sady nogejainao rojovy vakana
ho inonao avy zay ataoko rehetra
na hianatsimo aho na hiantsinana?
fahiny ny foko tany aminao no nitoetra
fa ankehitriny izy nahita lalana
mbay handehanako
berthin aina
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana