MBOLA MALAHELO AHO! (BerthiN AinA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sivy ambinifolo taona izay ny lasako
Alahelo foana no nameno ny andrompiainako
Tsy nisy fifaliana mihintsy ny ahy
Fa tsiky fiatsarambelatsihy no ataoko tsindraindray

Amin'izao tsy satriko ny halahelo @nity tsingeritaona
Nefa dia mbola tsaroako eto indray ny faha telo taona
Naha kamboty ahy tanteraka
Dia ny nahafaty an'i mama teto ana-trehako

Ny lasa tokoa hono tsy mety hadino!
Ee!'dia maty marina ianao ry mama!'tsy mampino
Aho rery no sisa miady @nity fiainana
Tsy vady,tsy havana,tsy namana

Eny''!Enina ambiniroapolo may izao ary ny tsingeritaoko
Manotany tena aho hoe inona no hataoko
Hankalaza dia iza no hanotrona sy hiarahaba
Iza koa no hanampy hikarakara,fa tsy eo i mama,tsy eo i DaDa!

Hmm'!Dia Mbola malahelo aho!

BerthiN AinA
--------
Lien:
1734 3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018