MISY FITIA (BerthiN AinA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fitia any anatiny any
Fa tsy sahiny ambara izany
Mitempo mangina ao ampony
Fa alaminy tsara mba ho tony

Aheriny tanteraka ao
Ny fitiavany izao
Ahorony ho azy irery
Ny fitiavany mahery

Tsy ambarany aman'olo
Fa izy koa mitia aminy fony manotolo
Tsy tiany ho maro mpahalala
Fa raha fitia,izy koa mba adala

Apangininy ny feo-pitiavany
Sakanany tsy hisokatra ny vavany
Na mangidy aminy aza izany
Dia sedrainy foana any


berthin aina
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1584 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : BerthiN AinA
Inséré par : berthinaina
Date : 05/07/2017 05:06
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011