Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ilay tsikikeliko iny (Ny Avo Elabakaka)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niniako fotsiny, ihanyMba tsy handrotsaka tomany
Teo imasonao, teo anilanao
Ilay tsikikeliko iny
Raha iny ianao niteny
Hoe: aza omena tsiny
Raha tsy afaka hanantena, ny foko izato ianao...........
.....Teo imasonao, no hany aho mba nifaly
Fa... rehefa lasa ianao dia
nirongatra ny jaly
Dia lasam-berovero
Nianoka alahelo
Niano-betsovetso
Nifangaro sento
Tao anty ranomaso....
--------
Lien:
Fans:
henuka
