FITIAVANA (Fano)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hisalorako ny lambaHisampinako hoatra izao
Tsy avelako ho angamba
Fa Malagasy isika izao
Ilay Gasikara tena tsara
Dia ireo foko Malagasy
Ambarako eto fa tsy adala
Ireo vahoaka Malagasy
Nitaky izato fahafahana
Menalamba,Sadiavahy
Tsy namela raha tsy nanana
Ilay fahaleovantena indray
Namoizana aina maro
Nanao sorona ny tenany
Ireo Maritiora tsy nilavo
Na dia mafy no niaretany
Fitiavan-Tanindrazana
Hanarenana ny ho avy
Ny hery ihany no hifaharana
Hamohana vavahady
Efa afaka izy izao
Ka izao no mba hevero
Izay ho lazaiko anao
Efa avotra izy izao, maintso toy ny alam-bero
Koa aza avelanao ho foana
Na ho tototry ny atsanga
Ireo ran'ny Malagasy
Izay nalatsaka hanafaka
Mitomany ireo fanahy
Dia ny feon'ny fisainany
Fa isika Malagasy indray
No manary ny fananany
Nokahon'ny riaka va ilay fihavanana?
Dia lasan'ny rivotra koa ny fitiavana
Latsaka an-kady ilay firaisankiana
Tandrovy izy ireo fa aza varimbariana!!.
*01110416A1E
--------
Lien: