Fiainana (Haingo Erica)

Nantsain'i Haingo Erica
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Marina fa,
Somambisamby toy ny diavolana
Ny fiainana rehefa tojo olana
Toa tsy hita izay mangirana
Dia indro ianao mitady làlana handosirana
Aza taitra na mimalo
Fa fomban-javatra io, mandalo

Ekeko fa,
misy miaritra ny mafy
Isan’andro izao mihafy
Mitady hanome tsiny ny ao Ambony
Dia hoy ianao hoe, tsy vitako intsony…
Aza milofika na mitaraina
Fa mbola ho avy ny maraina

Fantatro fa,
Misy miezaka ho tafita
Ny tsara vitany tsy mba misy mpahita
Fa fanakianana lava izao
Na mety na tsy mety ny atao…
Ahoanao izay fanarabiana
Fa ny tsara vitanao ifaliana

Tsapako fa,
misy toetran’olona tsy hay leferina
Manao didy jadona,tsy azo toherina
Dia indro ianao fa tsy te hiatrik’ady
Ndeha hitady tany malemy hanorenam-pangady
Fa raha hitsoaka toa anao daholo ny rehetra
Moa ny madinika voageja ve mba hisy mpitsetra?

Henoko fa,
Any ho any misy horakoram-pifaliana
Etsy andanin’izany, sentosentom-pahoriana
Mila tsy ho zakanao intsony ny ngidiny
Dia mihevi-tena fa ianao no farahidiny
Aza kivy fa tiako ho tsapanao
Fa mbola misy mijaly lavitra any noho ianao

Izay rehetra mitranga , aza atao hanimba ny fisainana
Atreho am-pitoniana fa izay ilay fiainana.

Haingo Erica
27/07/2021
--------
Rohy:
522 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Haingo Erica
Nampiditra : hery
Daty : 12/02/2022 22:06
Antsantononkalo
Nantsain'i Haingo Erica
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142