Raha tena tia (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tena tiaRaha tena tia
Raha tena tia ahy ianao de:
* tsy nitanisa ny lasa fa nibanjina ny hoavy, naminavina ny ho sisa mba tsy ho ritra
Raha tena tia ahy ianao de:
* tsy nanisa ireo hadisoako efa lasa fa nibanjina ahy ary namihina ahy mba ho afaka tamin’ny ratra
Raha tena tia ahy enao malala de:
* voavela ny heloko ary toky no mbola ho ventso hanarenana lay fiti hatr’eto
Raha tena tia ahy enao rahavako de:
* any ambadika sahondra lay hadisoako no apetrakao, tsy iverenana koa fandrao tsy zakanao
Raha tena tia ahy enao de:
* ritra lay ranomaso ka natao hoe ranomaso nandalo mbola vonona hikalo
* eny ranomaso latsaka haminavina ilay fanirian’ilay fitia ho mandrakizay ho doria
(Ilay FANAMBY,raha tena tia,nov 2021)
--------
Lien:
