HO ANAO 'LAY TIAKO (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy ambara firy na betsaka hotenenina
fa kosa 'zay voavimbin-drangodran­gotry ny penina
no hany hatosako eto
injany manko reko ny fidoboky ny foko
misentosento fatratra sy vizan ' ny toloko
manembon-tsy mitsahatra an ' ilay fitiavantsika
tena mangatsiaka anie ny foko mitaraina e !
mila tsy ho tanty koa ny vezivezin-tsaina
MITADY ANAO LALAINA !

Malala a!
Ianao koa toy izany sa mba verivery dia ?
inoako marimarina raha toa ka tena tia
fa sahala ihany angamba ô ?
Aza mihambahamba ianao fa maneke
dia mba lazao matetika 'lay teny efa filaza
na dia an-tsoratra aza
rehefa tafaresaka amin ' ny antsona finday
na dia minitra iray
tsy ahoako fa teneno
ho henon ' ny rehetra
hanafak ' hetaheta 'ty foko banga anao

Mila tsy ahatamàna ny ato an ' efitranoko ato
mangina ka mihantsy ny fanahiko tsy miato
miainga maka vina ny tontolo lavitr ' any
tahaka ny androany
tsy laitra 'ty fisisiny
hanjohy anao midongy mba hihazo ny tandrifiny
ka indro dia navelako handeha fa " mibozizy "
aoka tsy ho tsiniko fa adala anao re izy a!

Tiako a!
soava izay atao dia mirary soa indrindra
tazony tsy ho rava 'lay fitia ka aza afindra
ataovy tsara rindra
anatinao ...koloy !
'lay tadin ' ny fitiavana mivona sy mitohy
ka aoka tsy ho tapaka
( izaho koa be fangataka e ?)

Mandram-pihaona akia!
ianao koa matokia
fa efa tsara toerana tsy resin ' ny elanelana
izay fitia anatiko
( mila tsy ho tantiko izany sento 'zany )

Izao akia ry mamiko a!
oroka no entiko mamarana azy zao
manao sonia mirangotra :

'LAY DISO TIA ANAO

JANAHARY / KIRIAH
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Alahelo - fiainana - Fitiavana
2238 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128