NY ALAHELO ANAO (KIRIAH )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manao fifaninana amin ' ny orana etsy ivelanyMitefoka mandotsika ny tafon ' itsy trano
Ny vetso sy toloko
mandena ny aty foko
manjohy anao hatrany
hatrany ambadika any
Ilay fo manganohano
Manao fifaninana amin ny rivotr ' etsy ivelany
Mitsoka izay lalovany eny an-dalany eny
Misavoana ombieny ombieny
ny sentosentom-poko
ny tsiokam-pofonaiko
manosika vinany
hanara-dia ry Aiko...
MALALA O !!!
manao fifaninana amin ' izay rehetra hitany
s'zay rehetra tazany : NY ALAHELO ANAO
KIRIAH
--------
Lien:
Commentaires
hery
(
13/12/2012 23:00)
Mahafinaritra ahy foana ny tononkalon'i kiriah...
kiriah
(
14/12/2012 13:59)
Misaotra betsaka ry Hery a! , teto amin 'ity serasera ty nge no nianarako nanoratra tnklo e ! ho tsarovako tkou ny eto refa tonga any amin ny fanjakàko aho , lol !