SAHALA (KIRIAH )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanjombona hariva 'lay andro ry Tiana ka namelovelo 'ty foko mangina
nitsiahy ny any ho any
dia nanganohano
namoron-tomany.
Ianao any izay
tsy fantatro akory
raha toa oriory
tahaka ahy koa
mandefa ambiroa tsy laitra toniana
Fa maminavina , misento ts'iniana .
Ny eto malala dia mahasorena
ary koa mahonena
mitafy alahelo
'zay rehetra jerena
injao mieloelo
Ny embo-mitsiry
Mihabo, mikiry.
Manina loatra ny foko mitroatra
Ka aza tsiniana raha toa ka mamangy
Sy be fiangaviana , tokoa fa tsy sangy !
JANAHARY & KIRIAH
--------
Lien: