JIRO MITSILOPY (MAHEFALISON)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indreny fa mirentirenty
ny jiron’ny fanala,
manazava,
toa hampisava
ity ali-mainty mamanala.
Ankizy maro no miventy
ny “arendrina taratasy”;
ny aty ihany no mangasihasy.
...Fa ny jironay aza moa,
mitsilopy hatramin’izao.

Misandrahaka aok’izany
ny afomanga any ho any,
zary ilo manazava
‘ty lambamainty izay manarona
ireto olona mandalo;
ny aty ihany no manafin-tava,
mijaly mafy toa valala an-karona,
mitampify toa mimalo.
...Fa ny jironay aza moa,
mitsilopy hatramin’izao.

Hanim-py tsy hay visaina
no nomanin’izy ireo,
fa fety hono no andrandraina,
fety hono no hiraina;
ny aty ihany no mitoreo,
zary tany karakaina,
tsy misy rano, tsy afa-miaina,
zary voly tsy hay jerena
tsy misy orana handena.

Dia hamindro manoloana
ny pitik’afon’ny kitay
no mba handanianay
izao takariva moana.
...Fa ny jironay aza moa,
mitsilopy hatramin’izao.
--------
Lien:
1625 0
Commentaires
petakasoa ( 18/06/2010 18:41)
Raha jiro nitsilopy
no nateza hatr@ izao
dia azo antoka sy toky
haharitra hatr@ maraina vao

fa ny afo miledaleda
mora levona ihany
ary ny sakafo feno antenda
tsy haharitr'ela fa ho lany

MAHEFALISON ( 21/06/2010 05:38)
Mankasitraka....
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0148