Indraindray (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indraindray ianao toa mahafinaritra ahy
Mambabo ny fo sy ny saina amam-panahy
Ny masonao mijery sy ny tsikinao malefaka
Manintona ahy hoeny sy hiresadresaka

Indraindray anefa tsy hita hoe ahoana
Toa manorisory sy mampiteniteny foana
Indraindray izany an!, fa tsy hoe foanafoana
Ka avelao hoany fa toa zava-poana

F'izao no tadidio sy ataovy ao an-tsaina
Efa ianao no tiako, ianao no lalaina
Tsy misy mahasolo ilay fitiavanao
Raha mbola eto an-tany aloha hatramin'izao

Indraindray koa mantsy misy mpampiady
Tsy mamela antsika roa ho mpivady
Ho resentsika ireny, tsy havela hanjaka
Hihomehezantsika fotsiny, sy hiambakavaka
--------
Rohy:
1619 0
Hevitra mandeha
atonamia ( 21/03/2009 15:18)
Otrotran n tiko zany le izy :-)
Zozoro ( 25/03/2009 19:06)
Tsara an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139