Tara loatra ianao (Nalison Randrianaivo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tara loatra ianaoEfa folaky ny ratsy natao
Izay ve vao tonga saina ianao?
Hoooo, Tara loatra ianao noho izany
Fa izaho aza efa sambatra koa
Efa manana ny tiako sy tia ahy
Efa migoka teny mamy
Efa mihanoka fiadanana ihany koa
Tsy amin-tebiteby sy ahiahy
Teo anilanao aho natositosika
Nahilikilika tahaky ny inona
Tsy mba nahazo teny mamy
Tsy mba nahare izany tambitamby izany
Izaho aza moa natao tsinotsinona
Na dia tena tia sy tsy mahafoy
Dia nanaovanao adalana
Nararaotinao ny fahatsorako
Ka angamba tsy hadisoako e
Ialakotsiny mialoha aminao
Fa tsy afaka intsony aho
Fa efa manana ny tiako aho izao
Fa tara loatra re ianao
Mafy no efa nentiko, tena mangidy
Saingy tsy nataoko nahakivy
Fa niaretako hatrany hatrany
Kanjo tsy zakako ihany no niafarany
Androany ianao tonga hifona
Tsy aiko aloha na voadona?
Fa efa fotoana elaela ihany izay
Ianao no tsy niantso ahy
Ankehintriny aho niova loko
Lasan'olon-kafa ny foko
Ka mialatsiny aminao aho
Fa tara loatra ianao
--------
Lien:
Catégorie :
fananarana - Fiononana - fanantenana - Fisarahana - embona - Fahatsiarovana - Alahelo - fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana