Pesta mifangaro politika (RAFENOMANANTSOA SANTATRA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy ny fako eny amoron'dalanafa tsy laitran'aretina politika
malemy ny mpitsabo nomena alalana
hizaha ireo mararin'ny bibonika
.
io ilay aretina noforonona
hanenana ny isan'ny malagasy
mantsy ny mpitondra dia mila sorona
hanomanana fifidianana atsy ho atsy
.
misy milaza ho mahafehy
io aretin'i pitik'i lita
tsy menatra akory ilay mainty be
mivolana eo anivon'ireo adrisa
.
raha tany toamasina no niandohana
dia efa ao tana izao ilay rivotra naparitaka
mitady hanongana fanjakana
angamba ilay mpanaboka voahitsakitsaka
.
raha hoe tena pesta marina io
fa tsy aretina nafafifafy
dia izao no fantaro ry ankehitrio
hoe efa maro no maty ny malagasy
.
rivotra nge izany pesta izany ry olona ee
mitsoka lavitra noho i GAFILO
enao tsy afaka hanampina lavak'orona
rehefa maneno ilay rimorimo
.
tsy azo tsidihana ilay marary
fa sao dia mamindra amin'ny olombelona
tsy azo alevina ambanin'ny tany
fa tonga dia dorana ho lasa lavenona
.
tsy azo ampidirina am-pasan'drazana
fa sao dia mamindra amin'ny efa maty
tsy maintsy eny an-tanety no hamafazana
ireo matin'ny pesta piraty
--------
Lien:
Catégorie :
Politika
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : RAFENOMANANTSOA SANTATRAInséré par : rafenomanantsoasantatra
Date : 09/10/2017 16:26