Ventsom-paniriana (RAMANANTSOA Ricardo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VENTSOM-PANIRIANA
Ho anao ry zazavavy
Izay handinika ny teniko
Miondrika eto sadi avy
Mba hamangy anao ny peniko
Antenaiko ianao fa salama
Amin’izao fotoana izao
Matoa ny ventsoko tsy tana
Fa miantefa any aminao
Efa nataoko ihany no hangina
Tsy hanambara ny ato am-poko
Haneho ilay VENTSOM-PANIRIANA
Indrisy anefa fa nisoko
Koa ankehitriny sombin’aiko
Lazaiko anao ny faniriako
Hampilamina ny saiko
No anantenako anao ho olon-tiana


Izai ary no izy ka diniho
Nefa aza fady mba valio.


RAMANANTSOA RICARDO
--------
Rohy:
1879 2
Hevitra mandeha
NyKanto ( 10/11/2004 19:02)
Hita mihintsy ianao fa maika
Ny hahazo valin-teny
Izy koa anefa hono saiky
Hamboraka sy hiventy

Fa ny anao no tonga aloha
Izy sasa-niandry moa
Efa ela ihany no niandrasany
Hizarany aminao ny fitiavany






Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardo
Daty : 09/11/2004 19:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111