…………………… (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
……………………….…!Manjombina maloka, ny andron’ny fo,
fa ravan’ny lahatra, ‘lay hoe hiara-droa.
Nazeran’ny vintana, ny fitia tsara voly,
nahintsan’ny tendry, mba tsy hamony.
Nisintonin’ny fasana, ilay nofinidy.
Ny ho faty ve moa, iza no hisafidy?
Tsy satry aza moa, hiara-dia eny foana?
Nefa indrisy anio, ny fo dia hisaona.
Ka ora-mijija, no harotsaky ny tava,
teny mandràtra, no mety haloakan’ny vava,
fa hoe dia nahoana, ry lanitra mpiangatra?
Nahoana no ampahoriana, tsy avela ho sambatra?
Manavakavaka loatra, ny vintam-boatendry.
Ny laha-nianteherana, indray no mikinendry!
Mikendry ny fo, hianjera any an-davaka.
Leo aho ny miady fa mba aiza, izay valim-bavaka?
Ry fahafatesana, fa dia nahoana sahady,
no dia finganinao, ity mafy ady?
Mieza-manorina, sy mitraotra amin’ny fiainana,
dia indrisy, ampitondrainao izao fanaintaina.
RRAG
09 Aprily 2018
--------
Lien: