ANAKA...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANAKA...!
Toa nataoko ny nangina, saingy efa aty an-tenda.
Tsy notoheriko ny vina, nefa tsy mahatanty sedra.
Izato ianao mimamo foana, efa mila ho any an-tatatra.
Mandeha anefa ny fotoana, ny ady ho hatrehina tsy hitsahatra.

Anaka! Ny tanjonao tsy misy vita, toa ilavitra kinendry.
Izay tontosa na tsy hita, dia lazainao voatendry.
Dia ny lahatra no nosotaina, omena tsiny ny Andriamanitra.
Nefa ianao no tsy misaina, raha fahendrena toa mahantra!

Anaka! Tsy ny vintanao tsy akory, no hoe ratsy na nosotaina.
Fa ianao 'lay resi-tory, no nilaozan'ny maraina.
Notebahin'ny namanao, ilay nahavita dinga-maro.
Nefa ianao hatramin'izao, tsy maharak'izay kalo!

Dia mandihy tsy ami-mozika, mihirahira tsisy tonony.
Ka rehefa andro mangatsiaka, vao miboridana ho hitan'olona.
Mieboebo raha tsy hay, mideradera ny tsy an'ny tena.
Ry zanako! Rahoviana ianao vao fay, fa tsy mba hahatsiaro-tena?

Anaka! Miovà fa tonga ny ora, miheverà tena re e!
Eo ovao moramora, ity toetra ratsy e!
Fa tsy hananam-paharoa, ny fotoana toy izao.
Sao rehefa injay ka voa, vao hoe sintony aho!

Anaka! Tiako loatra izany hoe, mahita maso anao miova.
Raha mba sitrakao re! Ndeha ialao izato fonja.
Fonjan-ditranao ry aiko, namatoranao ny lasa.
Ka hilamina ny saiko, raha hovainao kasa!

Anaka! Ianao no sombin'ny aiko, famatotry ny foko.
Ianao no lalaiko, ka namoizako ny zoko!
Ka raha sitrakao ry tokana, ‘ndeha hanova ny famindra.
Mba hanorana ny folaka, dia ny ampitso ho tsara rindra.
Satria ianao 'lay zanako, no hany tena tiako indrindra!
RRAG
26 Martsa 2017
--------
Lien:
244 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222