ANIO… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANIO… (SAFIDY: 2012)
Anio raha sitrakao,
aleo hiteny indray,
hiteny indray ny fo,
na tsy ho izao dia ‘zao,
dia andraso kely aloha.

Anio toa ora tokana,
tsy sarotra hitàna,
hahafahany mamboraka,
‘zay tena hafanana,
tiany havoaka,
ho ren’ny raozy dia,
‘zay efa toa miandry,
miandry ilay fitia.

Anio raha ekenao,
aleo haborako eto,
ny hanitra tam-poko,
miary irony sento.
Tiako ho izao dia ‘zao,
dia ny mbola maina,
ity hola-periko.

Anio no hany andro,
sahiko hanehoana,
fa misy ilay masoandro,
manafina hakamoana,
sy manafina henatra,
tsy hahasahia-miteny.
Anio raha sitrakao,
ny maso aleo hijery.
Fa tiako loatra ianao!
RRAG
06 Nôvambra 2012
--------
Lien:
255 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217