ANTSON’I NENY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANTSON’I NENY…
Ny antson’i Neny, isa-maraina, mitamberina an-tsaiko.
‘Reo vavany niteny, tsy mba nalaina, no sori-dalan’ny aiko.
Ireny teniny mantsy, no fanilo niposaka, nanazava ny lalako.
Ry Neny malala ô! Ianao no nanoritra, ny fiandohan’ny tantarako.

Neny ô! Ny maraina mifoha, sy ny hariva aho hatory,
toa reko avokoa, mitamberina anatiko, ‘reny antsonao.
‘Reny izaho indraindray, ry Neny malala, tsy mahita tory,
toy ny mahita, ny salovan’endrika, kanto eny aminao.

Ny ali-mangina, izay hadiva haraina, injay toa mamanala.
I Neny toa eo foana, misafo ny lohako, dia tsy mety miala.
Ka zary mandositra, ilavitra ahy, ny hatsiaka sy ny haizina.
Eo anilan’i Neny, toa taratra hazavana, ka tsy mety maizina.

Dia mitamberina, tsy miala ny sofiko, ny antson’i Neny.
Mihazona ahy tsy ho farofy, sy manova ity jery.
Izay natopiko, ny lalan-kombako, hatramin’ny omaly.
Ravo aho ry Neny, raha vao mahita, ‘ty endrikao faly.
RRAG
10 Oktôbra 2013
--------
Lien:
266 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224