ANY IANAO RY MORAMANGAKO...! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANY IANAO RY MORAMANGAKO...!
Sanatria tsy hoe hadino, ka tsy tsaroako ianao ry taniko.
N'aiza n'aiza misy ahy, dia mbola ianao no akaniko?
Ilavitra ahy ianao anio, sanatriavo ny tsy hihaona.
Fa ho any aho, raha sendra manana fotoana!

Ry Moramangam-pahazazako, any ianao, izaho aty.
Na izany kosa aza, dia mbola ao ilay fitia!
Nifamatorantsika hatrany, izay tsy mbola maty am-poko.
Ianao ry ilay akany, toy ny namana tsy foiko!

Ka aleo raha sitrakao, hivetsovetso aho na hoe:
“Hievinevina aza ianao, k'ireo tsy tia ho vaky hehy”.
Fa tsarovy ry taniko, ry Moramangako tsy foiko.
Misy tsara any ho any, fa raha ianao dia tsy hosoloiko!

Avelao aho mba handry, hanofinofy anao ry taniko.
Aleo hivoaka ny alaheloko, aleo hijojo ny tomaniko.
Ho anao ihany izany, ry Moramanga tiako indrindra.
Ny fitiavako anao mantsy, tena sarotra ny hafindra!
RRAG
16 Jona 2017
--------
Lien:
306 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223