BABANGALA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BABANGALA…
Ny akaninay taloha, haolo sy efa drodroka,
poti-baravarana, sy roti-kalalao.
Ny rindrin’efatray, nihintsana fa boboka,
ny efi-mangatsiakany, injay fa mitalaho!

Ny tranonay fahiny, sisasisan-drivotra,
tsy ravan’ny tafiotra, fa ‘njay mijoro ihany!
Io babangoana io, ny varavara-miditra,
‘lay nakaratokay, raha sendra nitomany.

Eh! Babangala sisa, ity akaninay,
mangina toa misaona, misento aoka izany!
Fonenana noheverina, ho mandrakizay,
saingy indrisy anefa, fa nofy ihany izany!

Babangala sady foana, lasa akanin’ahi-maitso.
Rotidrotik’alahelo, saingy io mijoro eto!
Tao no nisy hafaliana, nisy sento nampivetso!
F’indrisy anio no farany, hitsinjovako azy an-tsento.
RRAG
24 Febroary 2001

Dikan-teny: Babangala = Trano foana tsisy mpipetraka ary efa afaka daholo ny varavarambe sy ny varavarankely rehetra tao anatiny (Na babangoala).
--------
Lien:
283 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222