DIARIN’NY RA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIARIN’NY RA…
Sora-mitoetra, tsy matin-taona maro,
tolom-po manokana, fa tsy mba nafangaro.
Tsiaron’ireo sedra, nandatsahan-drà,
rakitry ny lasa, diarin’ny rà.

Diary tsy mba levona, na foanan’ny anio,
mitahiry zava-maro, tsy voafetran’ny lasa.
Tsy voafafan-dranomaso, na foanam-pandio,
fa voatahirim-po, ilay mizaka ràtra.

Sora-mitahiry, ny dinga-nolalovana,
tolona tsy hadino, fa zary fahatsiarovana.
Tsiaro tsy mba maty, na ringan’ny tontolo,
rakitry ny lasa, tantara manontolo.

Tantaran’alahelo, tantaram-pahoriana,
notahirizim-po, notahiriziny hangina.
Mba tsy hanakoako, hisioka hitamberina,
handoto ny anio, hihoga hankarenina.

Sora-panembonana, ny fery nolanjaina,
tolon’ny fo, saika hanafak’aina.
Tsiaro tsy hadino, na dia mangidy aza,
rakitry ny omaly, ‘lay tontolo fahazaza.

Diary tsy mba tonta, na levon’ny fanala,
tahiry tsy mba maty, tahirin’ny anjara.
‘Zay tsy hahafahana akory, ny misafidy azy,
diarin’ny rà, ‘lay sora-zary tady.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
393 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214