EFA NISY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA NISY…
Mbola tsy nisy izaho, mbola tsy ary ianao,
mbola tsy nisy isika, no nofy avokoa izao,
dia efa nisy faka, efa nisy rantsana,
efa nisy taho, nihary fisandratana,
namelana fitia, nitsimoka fitiavana,
tsy nisy akory isika dia, namony ny fiadanana.

Izao tontolo izao, mbola tsy nisy akory,
nefa teny ny fitia dia, efa toa namony,
efa nisy felana, nanavaka ny haingony,
nandravaka ny ravina, anivon’irony laingony.

Mbola tsy teo izaho, mbola tsy nisy ianao,
mbola tsy ary isika, dia rary ny talaho,
ka nisy teny ho eny, fototra nitàna,
nisy ny fitia, ‘lay ritso-nahatamana,
nitsiry teny ho eny, ka nandrombin-dravina,
tsy tefy akory isika dia, nisy ny fitiavana.

Tsy voarary ianao, tsy vita efa aho,
dia efa nisy tonta, ary nisy vao,
efa nisy tiana, nisy nankahalaina,
efa nisy alina, nifohazan’ny maraina.

Efa nisy ianao, ‘lay soritra hotiaviko,
efa ary ianao, ‘lay silaky ny foko mamiko,
efa nisy koa, fitia tsy lefin-taona,
niandry andro fotsiny, niandry antsika hihaona.
Fa mbola tsy ary izaho, mbola tsy tefy ianao,
mbola tsy efa isika dia, nisy izao sy izao!
RRAG
19 Septambra 2018
--------
Lien:
722 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229