EO ANILANAO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EO ANILANAO…
Eo anilanao no tiako iainana eto,
eo aho no hany afaka mivetso,
ny tena alalin-tsento,
k’izay no tiako eto!

Eo anilanao no tiako hisy ahy,
na velona aho na maty dia eo ny fanahy,
mitoetra anilanao,
manala ireo talaho.

Eo anilanao no tiako indrindra ry aiko,
eo no mba mitony ny tebitebin-tsaiko,
ianao no hany fantatro tena tia ahy,
ianao ‘lay tiako no mpanafaka ahiahy.
RRAG
08 Septambra 2005
--------
Lien:
309 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221