FAMATOTRA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAMATOTRA…
Rojo mihazon’aina, tsy ho azon’ny fasana!
Sakana mitàna, manosika ny lasana!
Famatotra manambatra, mampiray ny any,
sy ny aty, ny vetso sy tomany!

Mangina loatra anefa, toa re ny siokam-borona!
Ny antso tsy niantefa, na dia nisy ako!
Fa injay niverina, sady tsy mba nisorona!
Tsy mba nampilaza, fa avy dia nilako!

Famatotra mamonja, ny fo roa tsy mba hisaraka.
Fanalahidim-ponja, anjara masoandron-davaka.
Ny fitiavana madio, ilay tsy mila sira.
Ny fo miaina azy, matetika velon-kira.

Ravaka tontolo, miavaka sy tokana.
Famatotra ny aina, ilay mbola tia anao.
Haingom-pitia, ilay ho anao manokana.
Efa ela no nitsiry, ka vaky felana izy izao.

Mihika mafy indray, ny fo ‘lay mitomany.
Famatotr’aina izany, fery nentin-dasa.
Miantso ny lanitra, miankohoka amin’ny tany:
“Mba jereo ry Ray, fa vesatra ‘ty ràtra”.

Famatotra manambatra, mampiray ny any.
Saingy tsy nahasambatra, ‘reo fo ‘zay nitomany!
Famatotra mamonja, ny fo roa tsy mba hisaraka.
Toa nitondra onja, sedra iray nahavalaka!
Famatotry ny aina ‘lay mbola tia anao.
Nofy foana ny ahy, f’ianao efa lao.
Famatotr’aina izany, fery nentin-dasa.
Zoga entim-pasako, ilay nandevin-kasa!
RRAG
23 Desambra 2012
--------
Lien:
258 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0232