FAMPITAHA…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAMPITAHA…!
Ay moa malala! Ianao ka toy ny lisy,
Malefadefa-pihaingo, sy tsotso-piaina.
Nefa nisy mpiankaso, namingana indrisy,
tsy nitopy akory, anao ‘lay manan’aina.

Ianao dia raozy dia, izay sarotra folahina,
efa zatra miady irery, amin’ny setrasetra an-tany.
Saingy mbola misy sedra, mahatonga anao ho valalanina.
Ilay nitondra irony sento, ka nandatsaka tomany!

Rivotra mandalo ianao, tsy tia mitoetra an-tany tokana.
Manan’elatra mivoy, mikopakopaka eny ho eny!
Saingy mbola misy andro, misy andro mety hamolaka,
hanery anao koa, ka, tsy hahafahanao hiteny!
RRAG
30 Mey 2018
--------
Lien:
248 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0243