F’ANGAHA ALIKA E? (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
F’ANGAHA ALIKA E?
Asa re ry tiako raha, toa tsy tsaroanao,
irony latsalatsa, natorakao ny foko?
Fony ianao niketrika, nikasa ny nandao,
ka tsy niheno akory, ahy ‘lay nitoloko.

Ompaompa izany, esoeson-teny,
kapoka marary, nandràtram-panahy,
ny masonao aza, toa tsy nahasahy nijery,
asa, mbola nanana ahiahy?

Ankehitriny indray, nimpody ianao fa hoe tia,
nanambitamby ahy, tsy nanam-piafarana,
aiza ilay fahiny, nahery ianao satria,
nanana ny ambara, satria ve tsy tamana?

Atambereno kely, ilay vava latsakao,
‘reo teny tsy noheverina, fa mbola hitroatra koa,
avereno hoe ny alika, no miverina amin’ny nankalao,
asa lahy raha, alika koa ianao o?

F’angaha alika retsy a! No tsy mahatana teny?
Tsy menatra ny hitamby, rehefa voa avy any,
aiza ilay fahiny, niseho tsy ho tratra ireny,
k’indray ankehitriny, mandady mitomany?

F’angaha alika ianao, no miverina amin’ny lo?
Be vava ery fahiny, tsy mahatsapa izay hahavoa,
nirehareha fatratra, fa tsy ho lavon-tody,
nianjera tany an-tatatra, f’izay vao hoe hody.

Sanatriavo izany, hamerina hitia,
hitia anao ilay, nandràtra ny aty foko,
ka mainka koa hoe, handray alika dia,
mikafiry taolana, dia mody mitokoko.

Sanatriavo izany hoe, mbola hiverina aminao,
eny aza na dia hoe, tena mbola tiako ianao,
fa tsotra ny ahy ny teniko, ‘ndeha dia aza miverina,
ny tody koa tsy hisy, saingy ho rojonao ny nenina.
RRAG
16 Jolay 2018
--------
Lien:
752 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244