FARY MANGIDY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FARY MANGIDY…
Reraka loatra ‘ty saiko ny miady,
ka mila fiatoana ho fakàna aina.
Saingy ny asa efa toa fato-tady,
tsy maintsy vitaina na dia hanafak’aina.

Ny deba mibaiko tsy misy fiatoana!
Ny ‘ngeza amin’izany manao baiko moana!
Manao didi-jadona dia mampiaka-peo,
fa ny baiko midina dia hoe tinereo.

Toa fary mangidy ny fiainana an-tany,
vitsy hafaliana fa rako-tomany.
Raha vao mba mitaky ny zony ny tena,
dia misy foana ambony mitrena.

Manao bebe feo tsy azo iangaviana!
Manao tsinontsinona, izay fitakiana!
Manampatra ny hery amin’ny kely madinika,
ka iza no hazaka? Dia tsy hiala hipitsika.

Fary mangidy raha ny fivelomana,
misy miteny dia avy dia homana.
Fa ianao mitsemboka efa hila ho faty,
izay vao mahita ny kely mba hatafy.

Fary mangidy miafara any am-pasana,
ny zogan’ny lasa ilay namery.
Tody tavela lovan’ny lasana,
rojon’ny maro efa vita tsianjery.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Lien:
298 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226