FASAN-DONGON-TANY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FASAN-DONGON-TANY…
Tomany ny foko, hontsa ny saiko,
raha mandalo amin’itsy hoe, lalam-baovao.
Mirotsaka ho azy, ny ranomasoko, eny toa tsy haiko!
Mahita an’iretsy, zaza mitalaho.

Lavo ny Reniny, nisintonin’ny fasana,
dongon-tany matevina, no mandrakotra azy.
Tsy mba nofonosina, eny, toa tsy mba niandrasana,
fa avy hatrany, dia nototofan-tany.

Honena ery, izany fo manan-dReny,
raha toa toy izany, no hanaovana an’i Neny.
Ho fasan-dongon-tany, tsy ho hasiana vata,
na sarotra aza ny fiainana, toa fo vato, izay tsy hahatsapa.
Fa tsy mendrika azy, ny tontolo toy izany,
saingy atao ahoana, raha izay no eto an-tany?
RRAG
Mey 2013
--------
Lien:
340 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023