FELAN-DRAOZY…! (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FELAN-DRAOZY…!
Misy hika iray mitroatra, maniry mafy ny hivoaka,
hazonin’ny atim-po, ka fatorany tsy hiloaka.
Mikiry mafy ery, ‘njany, fa hipaika any aminao,
dia ‘lay hika iray tam-pony, ‘zay diso fantatrao.

Ry felan-draozy fotsy, ilay fitiavany madio.
Tsy hihintsana ianao, sanatria, na sendra izay tadio.
Miriorio mafy, toa mikendry hanongo-paka.
Saingy kosa angamba tsy hainy e! Fa anao izao ny laka.

Injay fa toa re, misy antso izany, antsoantsom-pony,
ho anao ‘lay felan-draoziny, vony ‘zay tsy foiny.
Mamelombelona azy, ka ny vetsovetsony aza, tiany ho anao.
Raiso izy, fa fanomezam-po, natokany ho anao, dia ho anao!

Ry felan-draozy mena, afom-pitiavana, tsy mba mety maty.
Ny redaredanao am-pony, indraindray toa tsy ho tanty.
Saingy ianao dia volamena, ‘lay fanafodim-pitoniana.
Ny eo aminao, tsy hafaliana foana, fa mba misy koa fijaliana!

Injany indray fa reny, hay! Midobodoboka ohatr’izany.
Mandrotsirotsy ny fanahiny, ka mandatsaka tomany.
Mifamatotra amin’ny ainy, felan-draoziny, toa hafakely.
Dia tsy hisy toa anao, raha ny hafa, aleo ho irery.

Ry felan-draozy mavokely, fahamatorana ao am-po.
Ianao no hany tokana, nahay nizara ny nahasoa.
Nahay nitondra ilay fitia, tan-kianjam-pandeferana.
Ianao ry vonin-draoziny, ianao ilay tsy ferana.

Tsy mba manam-pahataperana, fanilo tokana ao anaty.
Jiro ianao, toa hazavana, hazavana tsy ho faty!
Mitsilo lalana aleha, mampitony fo voadona.
Ry felan-draozy iray mahagaga, hay ianao ka tao foana!

Ry felan-draozy manga tsotra, fahatsoram-po ianao.
Ka ny diamondra kosa, tsy hitovy toetra aminao.
Fa ianao raha toa amidy, lafovidy noho ireny.
Saingy ianao Rafandeferana, dia mba mody tsy miteny!

Mangina manana ny rariny, tsy hoe tsy sahy miloa-bava.
Ao aminao ny tena mariny, fa aleonao, tsy mikotaba.
Fa hisy kosa angamba andro, hitroatra hiteny indray ianao.
Ka hiheno ny alahelony, ‘zay nosaronan’ny talaho!
RRAG
11 Septambra 2017
--------
Lien:
264 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022