FELAN’NY AINA… (DINIKY NY MPIFANKATIA) (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FELAN’NY AINA… (DINIKY NY MPIFANKATIA)
“Izao moa ry tiana, raha maty ny fitiavana,
‘lay felan’ny ainy mihitsy, no maina tsisy intsony.
Ka ‘zay faniriana, sendra famaranana!
Dia hisy fo ve, mba hahay hitony?”

Hisy any ho any, felam-bony vao,
fafazana haniry, hisolo ilay taloha!
Satria hono mantsy, ao an-danitra ao,
misy voa maro, fanoneran-tsoa.

“Raha toa moa izany, tsy nitsiry izato voa,
ka ny fankahalana, no hanjaka eny ho eny.
Ary izaho sy ianao, tsy ho iray fo,
na mifankahalala aza, tsy sahy mifampijery.”

Ny felan’ny aina, dia ny fanananao, fitokisam-po!
Ary ny fahasahianao, no mpizara zava-tsoa.
Satria ianao mihitsy, no tena hoe fitiavana, famelomam-boa!
Ka raha tsy maty ianao, ny felana tsy halazo,
fa vao mainka indray, manambatamba-po.
Handrindra irony antsa, ‘zay hirafetam-bazo!
RRAG
13 Janoary 2013
--------
Lien:
373 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223