Ampidiro aloha ny tenimiafina
FITIA RATSY TONO… (RRAG)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA RATSY TONO…Fitia nangalarina,
ny ahy sy ny anao!
Tsy dia tena marina,
fa toa kilalao!
Fitia lalim-paka,
anefa ny fotony.
Fitia voambaka,
hatrany amin’ny tonony.
Fa izaho tsy nihary,
ianao tsy nikolo.
Ka tsy lavorary,
fa fitia ratsy tono.
Tsy tsara nahandro,
fa manta anaty.
Tsy tara-masoandro,
toa fitia efa ho faty!
Fitia ratsy tono,
no nifampizaràna!
Toa feno honohono,
hatrany am-piandohana.
Fitia fandeferana,
nefa tsy tana!
Toy ny niserana,
ilay hafanana!
Ratsy tono tsy masaka,
ny fitia nandrahoana!
Ferin’ny lasa ka,
tsy maintsy hohadinoina!
RRAG
11 Jona 2012
--------
Lien:
