FITIAVAN’NY TIA SY NY TIANA… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVAN’NY TIA SY NY TIANA…
Ny fo raha nanadino, dia io ny hoe tsy tia,
na ihany koa, tsy nahay nitia akory.
Fa ny fo tsy mety mino, tsy hoe, tsy manana fitia,
fa manam-po ihany, izay mbola resi-tory.

Mety hisy koa, fo hitia ihany,
saingy mety hiahotra, hilaza ny am-pony.
Dia iny aliny iny, ho rakotra tomany,
satria ny tena tiany, mety tsy ho azy intsony.

Misy any ho any, mitia fa lavi-tiana,
miaritra hatsiaka, mamanalan’ito alina.
Miandry hafanana, ka resim-panahiana,
dia nidi-kizo, nidi-kizo lalina!

Misy koa anefa, tia fa tsy mba tiana,
dia misento irery, voafato-paniriana.
Mitsiriritra fotsiny, ny anjara tsy an’ny tena,
ary mitazan-davitra, ny fony fa honena.

Misy izay tsy hadino, tiana fa tsy tia,
mampifilafila, manilika fitia.
Mandà fitiavan’ny hafa, maneso manaraby,
mandatsalatsa mihitsy, manompa anabavy!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Lien:
351 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0216