GASIKARAKO. (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
GASIKARAKO.
Kay! Marary loatra ny aiko, toa tsy mety tony,
ay! Ny atin’ity saiko, voafato-donilony.
Mitaky valifaty, ho an’ny fireneko,
saingy manindron’aty, ka hosakanako tsy ekeko.

Ka raha hipoaka ny ady, dia aleo koa ny tenako,
sy ny fanahiko hiady, ho an’ny fanarenako.
Hitaky fanafahana, ho an’i Madagasikara,
hitady filaminana, ho an’i Gasikara.

Manindrona ahy ny lefoko, manitatra ny feriko,
ny ràtra toa tsy lefiko, ny fonao tsy voajeriko.
Tsy hita hositranina, hotsaboina ràtra,
ry fireneko manina, ‘lay tany nahazatra.
RRAG
16 Martsa 2005
--------
Lien:
293 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023