HAFA IHANY… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ankamaroan'ireo mpianatra nampianariko sy ireo ankizy taizako tanaty fikambanana dia mahatsiaro hatrany ilay fomba fiteniko hoe: "Tetezan-kazo boboka ny fiainana ka na ianao rendrika na ianao tafita". Somary misy hifandraisan'izany ity tononkalo ity. Anjaranao no mamakafaka ny heviny.

HAFA IHANY…
Mbola lavitra dia lavitra ny tanjona kinendry,
iza moa no hahalala izay voasoritry ny tendry?
Na segaondra iray aza toa tsy fanta-piafarana,
mainka izay ho tondra-drano handravàna ny tanàna.

Mbola sarotra fantarina raha ny hoavy izay voasoritra,
ny hany tsapa sy mba hay dia toky aloakan’ny molotra,
ilay milaza hatrany hatrany fa dia tena tia tokoa,
saingy ny tsy hay dia ny hoe: “Moa ve tena avy ao am-po?”

Mbola ela vao ho lala izay nama-mahatoky,
ny tena fiainana eto mantsy tsy mba toy ny aty boky,
ka tsara fiafara hatrany ny tantara izay voasoratra,
na dia nisy ferifery sy ràtraràtra efa nanolatra!

Ny fiainana eto manko dia tetezan-kazo boboka,
tsy hisy hahalala izay faritra efa tena drodroka,
fa dia miezaka miampita ho tafita hatrany hatrany,
raha tsy izany dia mianjera any amin’ny farany ambany!

Ilay tontolo tsy misy hampiarina fa handrapaka ny tena,
sendra voay efa noana ka zara aza sendra hena,
ka ny anatra azo raisina dia mahaiza ianao mamindra,
fa ny mety hamono anao tsy voatery aretina mifindra.

Fa mety koa alahelo sy antso tody avy amin’ny hafa,
na koa angamba helohelon’ny tsinin’itsy lasa,
noho izany dia hevero fa tsy misy ho afa-maina,
kanefa mbola "HAFA IHANY" ny mana-namana hantenaina!
RRAG
20 Jolay 2018
--------
Lien:
717 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0238