HAFA NY ANDRO ANIO… (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satry hifandray tanana amintsika rehetra avy, saingy kopa-tanana no afaka atao noho ny halavirana! Arahabaina manokana ianao poeta amin’izao andro manerantany natokana ho anao izao. Ianao tokoa ilay mpandrava ny tsy rariny ary mpampitovy zo ny rehetra. Tolorana arahaba manokana ihany koa ianao mpamaky sy mpankafỳ azy ireny tsirairay satria tokoa raha tsy teo ianao dia tsy ary izy ireny.

HAFA NY ANDRO ANIO…
Hafa ny andro anio, andronao poeta,
ka mba miombona feo, hitaky ny marina.
Eo mba avoahy raha mety, irony hetaheta,
mifikitra matory, an-torimaso lalina.

Asosao ny penina, handrafitra andalana.
Tonony ny ainga, ho rakitry ny tsiahy.
Ny anio dia hafa, tsy toy ny fahazarana,
tena andro miavaky ny aingan’ny fanahy.

Ka ‘zay soratanao, dia entina hamafàna,
ny ranomason-tavan’irony resin’ny ady.
Ny ainganao anio, dia entina hanasàna,
ny fahorian’ireo nilavo, fa resy sahady.

Entina hampitoniana, ny fo milom-pery.
Entina handaminana, fiainana voarava.
Entina hamihinana, ny tsisy mba mijery.
Entina hitakiana, ny zon’ireto zaza.

Ny soratrao anio, dia hitondra fifaliana,
hitondra tsikikely, ho an’ireo nijaly.
Ka soratra handrava, ny foto-pahoriana,
ràtra izay navelan’ny fiainany omaly.
RRAG
21 Martsa 2018
--------
Lien:
352 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023